Voakitikitika ny amin'ny lafiny rehetra amin'io tombontsoa iomboana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany amin'ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika satria mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Ny soa iombonana no fanantenantsika kristiana, fanantenana izay hahasoa ny olombelona. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

17 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)

Ny fonjan-kevitra momba ny "soa iombonana" dia iray amin'ireo andry efatra izay tsy miova amin'ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ireo andry lehibe efatra : Ny hasin'ny fahamendrehan'ny olombelona, soa iombonana, ny tsy misalovana andraikitra, firaisan-kina. Ny soa iombonana dia mamela antsika hanome fahafaham-po ny filan'ny olombelona rehetra. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

16 ôktôbra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...