Ny ankizy dia tsy tokony ampiasaina, adidin'ny ray aman-dreny ny mizaka aza ireny mba hampivelatra azy amin'ny fiainana indrindra ny amin'ny fanabeazana. Ny Fanjakana dia manana adidy hanampy ny ray aman-dreny amin'ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly, izany hoe ny fanabezana manontolo na foto-drafitra, na ny enti-manana, ny fitsinjovana ireo mpampianatra sy ny rafi-panabeazana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
16 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)
Herisetra no azo andikàna ny fampiasana ny ankizy. Io fanararaotana io dia fanosihosena lozan-tany ny hasina maha-olona ananan'ny tsirairay " na kely sy bitika toy inona aza izy, ary na maivana toy inona aza ny fahitana azy, eo anatrehan'izay heverina fa mety ilàna azy". Fanandevozana sy fanararaotana ny ankizy ny famporisihana azy hampidi-bola nefa tokony mbola ho andraikitr'ireo ray aman-dreny. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
15 septambra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco