14 ôktôbra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 27-28)

Famaliana ny didim-pitiavan'i Kristy ny ezaka rehetra hikatsahana ny soa ho an'ny daholobe. "Didy vaovao no omeko anareo : mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" Jn 13, 34. Ny fanorenana ny soa iombonana no hetahetan'ny Egilzy katôlika araka ny fampianarany momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy. Ny soa iombonana dia tsy misy lanjany raha tsy miompana amin'ny voaary manontolo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

13 ôktôbra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)

Manoloana ny halehibe sy ny fihazakazahan'ny fiovana ankehitriny dia entanin'ny Konsily ny olona tsirairay tsy hianina amin'ny hahasoa ny tenany samirery. Tsy maintsy mifanao soa ny tany ama-monina. Tsy misy mahavita tena ka ilaina ny fifanampiana sy fifanohanana amin'ny samy mpiara-monina hikatsahana ny soa iombonana. Ny fikatsahana ny soa ho an'ny tena samirery dia fitiavan-tena. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...