1 ôktôbra 2023 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Taona A — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 28-32)

Ny fianakaviana no singa fototra fiandohan'ny fiaraha-monina ; raha tianao  ho mendrika ny fiaraha-monina dia andeha hoamafisina ny soatoavina ara-môraly ; raha tianao hivoatra ny fiaraha-monina dia andeha ampiana ny ankohonana hikatsaka ny fivoarana ara-pivelomana ; raha tiana hiorina ny fahafahana, fandriam-pahalemana ary ny fihavanana dia andeha hamafisina ny fifandraisan'ny ankohonana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

30 septambra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)

Eo anatrehan'ireo zava-baovao "res novae" tsy mifanentana eo amin'ny tontolon'ny asa, ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy dia manafatra ny mba hisorohana ny hadisoan-kevitra fa ireo fiovana ireO dia lahatra tsy azo ihodivirana. Manazava ny sain'ny besinimaro ny Eglizy fa tokony loha-laharana ny lafin'ny asa maha tompon'antoka ny olona satria ny asan'olombelona dia antso. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...