Sabotsy 25 jona 2022 — Ny Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51

Ny adidin'ny olom-pirenena : fanasoavana ny mpiara-belona, fandalàna ny marina, fitiavana sy fanompoana tanindrazana, fankatoavana ny fahefana ara-dalàna, fanatanterahana ny asa soa iombonana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Zoma 24 jona 2022 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; sady mahalala ny ondriko Aho no fantatry ny ondriko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 3-7

Miainga amin'ny didy fahaefatra "manajà ny ray aman-dreninao" ny maha olom-pirenena vanona. Ny ankohonana maro mitambatra ihany no lasa firenena, takiana ny hanomezana fitiavana sy fanajàna ireo ray aman-dreny sy ireo zoky. Samy manana ny adidiny ny tsirairay mba hisiany fifanajàna satria izay no taratry ny maha olom-pirenena vanona. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...