Zoma 17 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 19-23

Alakamisy 16 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15

Ny fivoahana amin'ny miresaka amin'ny tena ihany (monologue) no hahafahana mampirindra ny feo rehetra izay manome antoka ny tena serasera marina. Manampy antsika hanana fahaiza-manavaka, izay tsy inona fa fahaiza-mitodika amin'ny feo maro samihafa, ny tsy fihainoana feon-dakolosy tokana, ny mifampihaino, eny fa na dia ao amin'ny Eglizy aza, eo amin'ny mpiray tampo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Fa nahoana ary no miatrika fahasarotana ny fihainoana? Ny diplômatin'ny fiketrahana masina anankiray, Kardinaly Casaroli, dia niresaka momba ny " martirin'ny faharetana" ilaina amin'ny fihainoana sy ny hohenoina amin'ny fifanarahana amin'ny olona tena sarotra iresahana mba hahazoana ny tsara araka izay tratra ao anatin'ny famerana ny fahafahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...