Alatsinainy 7 marsa 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46

Aza ketraka amin'ny fanaovan-tsoa, fa hijinja amin'ny fotoana isika raha tsy ketraka. Koa dieny izao mbola manana andro isika, manaova soa amin'ny olona rehetra (Gal6, 9-10a). Ny karemy izay fotoana fihavaozana ho an'ny tsirairay dia mitantana antsika ho any amin'ny Pakan'i Jesoa Kristy maty sy nitsangan-ko velona. Katesizy momba ny fanaovan-tsoa, iarahana amin'i P. Fenohasina Dorysse.

Alahady 6 marsa 2022 — Alahady voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 1-13

Anisan'ny sehatra lehibe ny fifandraisan'ny mpiara-belona, zava-dehibe ary fomba hanomezana toerana an'i Jesoa Kristy eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona. Zava-dehibe ny fitrandrahana vaovao marina. Asaina ny rehetra mba hijery ny soa iombonana, indrindra rehefa mampita hafatra. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...