Alarobia 15 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18
Ny tena marina dia matetika isika no tsy mifampiresaka ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra. Andrasantsika fotsiny ny hahataperan'ny fandraisam-pitenenan'ny hafa hampidirantsika ny hevitsika. Amin'ny tranga toy izany, araka ny voalazan'ny filôzôfa Abraham Kaplan hoe : ny ady hevitra dia lasa resaka roa, olona roa miresaka zavatra roa amin'ny feo roa. Ny fihainoana no singa ilaina voalohany amin'ny fifampiresahana. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Talata 14 jona 2022 — Herinandro faha iraika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48
Ny tsy fahampian'ny fihainoana izay matetika iainantsika amin'ny fiainana andavanandro, dia indrisy fa lasa iainan'ny sarambabem-bahoaka ihany koa ka toy izay hifampihaino dia indro isika lasa "miteny ao an-damosin'ny hafa". Maneho io fa aleontsika mitady marimaritra iraisana, toy izay hitady ny marina sy ny tsara ; aleontsika mifantoka amin'ny firesahana toy izay mihaino. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco