26 desambra 2024 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)

Ny sitrapon'Andriamanitra mihitsy no tena katsahin'i Jesoa, araka izay voalaza ao amin'ny vavaka nampianarin'ny Tompo : "ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahakany any an-danitra.",  manamafy izany koa ny voalaza ao amin'i Joany : " Ny haniko dia ny manao ny sitrapon'izay naniraka ahy, sy ny manatanteraka ny asany."... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

25 desambra 2024 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)

Ny fiainana andavanandron'i Jesoa dia nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra "Tompon'ny lanitra sy ny tany, tompon'ny fanjakàna rehetra". Mazava izany araka izay voasoratra ao amin' Matio : "koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny... Katesizy momba ny vavaka nampianarin'ny Tompo, iarahana amin'i P. Wagner Randriamapandry.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...