I Davida dia masina sy mpanota, voaenjika sy mpanenjika, nampijaliana sy mpampijaly, izany daholo mihitsy no niainany ; isika ihany koa eo amin'ny fiainantsika dia mety sendran'ireo tranga mifanohitra matetika. Ny vavaka irery ihany no lalan-tokana tsy nampihontsina an'i Davida teo amin'ny fiainany ka tsy nampivoana azy tamin'ny sori-dalana natao hodiaviny. Ny vavaka no feo tsy maty tao anatin'i Davida... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
27 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Raha tsy manana fandinika pôetika ny olona iray dia mandringa ny fanahiny ; rehefa tsy ampy ny rindram-bavaka kanto dia mandringa ny fanahy, izany hoe lasa vavaka tsy tonga lafatra fa vavaka hafahafa. Rehefa mivavaka dia tena ilaina ny maneho ohatra tsara amin'ireo zava-dehibe teo amin'ny fiainana nataon'Andriamanitra. Zava-dehibe ny rindram-bavaka : mba hahatsapana ny fahalebiazan'Andriamanitra... Katesizy momba ny vavak'i Davida, iarahana amin'i P. Sylvain Rafaralahimboa.
26 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 18-23)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco