3 nôvambra 2024 — Alahady Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)
 
											 
 
			Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...
 
											 
 
			Ny toe-po sy toe-panahy entina miatrika ny litorjia dia ny fananana finoana, fanekena ny Eglizy, fiombonana amin'ny Eglizy eran-tany ; fivelarana amin'izao tontolo izao. Mety misy ny "RITES" na hoe fombam-pivavahana manokana, mety miova kely ny filahan'ny zavatra atao, fa efa ankatoavin'ny Eglizy ireny dia azo andraisana anjara any amin'ny firenena samihafa any ; ny "rite latin" no ampiasaina eto amintsika. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
2 nôvambra 2024 — Fahatsiroavana ny mpino nody mandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco