27 septambra 2024 — Masindahy Vincent de Paul, Pretra, Mpiaro faharoa an'i Madagasikara — Fankalazana — Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 35-38)
Tsy misy fahotana afaka mamafa ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona ; na ao anatin'ny fahalemena aza isika olombelona dia tsy misy mahasaraka antsika amin'Andriamanitra. Isika dia saribidy eo anoloan'Andriamanitra fa tsy ny fahotana.
Andriamanitra dia fitiavana tsy misy fetrany ka mitso-drano antsika isan'andro, toy ny ray aman-dreny tsy mahafoy ny zanaka tiany... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
26 septambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
I Kristy no tso-drano lehibe avy amin'Andriamanitra. Ny fanantenan'izao tontolo izao dia ny tso-dranon'Andriamanitra. I Kristy no fara-tenin'Andriamanitra izay teny soa, izay fitiavana manafaka antsika amin'ny fahotana. Hoy Md Paoly : isaorana anie Andriamanitra nitso-drano, tamin'ny alalan'ny Jesoa Kristy izay tso-drano faran-tampony... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco