Ny olombelona dia natao hameno ny tany, natao hiteraka ao anatin'ny fanambadiana. Tsy resaka fahafinarentana fotsiny fa tena misy antony lehibe no namoronan'Andriamanitra ny fanambadiana. Efa manan-jo ho velona ny zaza manomboka amin'ny fiforonany ao am-bohoka, hita taratra ao anatin'ny didy folo io zo fototra io. Tsy maintsy hajaina sy arovana amin'ny fomba rehetra ny ain'olombelona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
27 marsa 2024 — Alarobia Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)
Fahotana mahafaty ny fanalan-jaza satria maniratsira an'Andriamanitra Mpahary ny aina ; manala ny zon'ny olombelona hiaina. Ny firaisana ara-nofo dia fitiavana fa tsy kilalao. Ny fandriandram-piterahana ara-boajanahary no soso-kevitry ny fiangonana. Manana adidy lehibe ny mpanabe ho fampianarana mikasika ny fiainana sy ny fitiavana, tokony olona vonona amin'ny lafiny rehetra ny olona miroso hanorina tokan-trano. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
26 marsa 2024 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco