Alakamisy 14 mey 2020 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17 — Izaho no nifidy anareo tao amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

♦ Niampy 20 ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tao aorian'ny fitiliana natao omaly tontolo... ♦ Namaly bontana avy hatrany ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tao aorian'ny tafa nataon'ny Filoham-pirenena Malagasy mikasika ireo nosy malagasy manodidina... ♦ Mihamangina hatrany ny fanatanterahana ny fahatsiarovana ny hetsi-bahoaka tamin'ny 13 mey 1972...

♦ Manamafy ny antso efa nataony tamin'ny herinandro amin'ny tokony hisian'ny fakan-kevitra amin'ny fanarenana ny toe-karena sy ny sosial'i Madagasikara aorian'ny fiatrehana ny valan'aretina Coronavirus eto amin'ny firenena Andriamatoa Fetison Rakoto Andrianiriana... ♦ Afaka miasa malalaka amin'ny ora rehetra ny mpanao gazety eto amin'ny faritra Analamanga hoy ny Filohan'ny Holafitra...

Katsaho ny maha izay anao dia ny mampiavaka anao amin'ny hafa izany. (13-05-2020)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...