11 marsa — I Masimbavy Rosine dia martiry mpanirery tany amin'ny taonjato voalohany tany. Najaina tany Souabe nanomboka tamin'ny taonjato faha-14 izy io ary mpiaro ny tananan'i Wendlingen ao Allemagne.

Anisan'ny nampisongadina ny vavaka ataon'i Jesoa ankoatra ny hoe fananany faharetana amin'ny vavaka, ny fivavahany lalandava, ny fananany herim-po ary indrindra ny fananany fahatokisana ny Ray. Anisan'ny adidin'ny mpisorona ny manolotra vavaka ho an'ny vahoaka an'Andriamanitra, ny mivavaka ho an'ny olona rehetra., eny ho an'ny fahavalo ihany koa... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

11 marsa 2025 — Talata, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

• Nampahafantarina androany, ireo mpikambana vaovao eo anivon'ny Filankevitry ny Mariboninahi-pirenena... • Nanome toromarika hentitra ho an'ireo zandary mandrafitra ny vondrona manokana miady amin'ny asan-dahalo andiany faha-37, ny Lefitry ny Kaomandin'ny FIGN, androany... • Handalo eny anivon'ny Mpanara-maso ny asa, ny olana misy eo amin'ny mpitantana ny Kaominina Ivato sy ireo mpiasa milaza ho voaroaka...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...