• Mitsidika Distrika maro ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Repoblika nanomboka omaly. Tsy manadino ireo Distrika tsy nisy mpijery nandritra ny taona maro ny fanjakana, hoy izy, isan'izany i Vohibato... • Tokony mametra-pialana ireo tompon'andraikitra tsy mahatanteraka ny iraka nampanaovina azy ka miteraka fahoriam-bahoaka amin'izao fotoana izao. Teny nataon'ny Depiote Gasikara Fenosoa tany Betafo... • Misedra olana amin'ny tsy fahampian-drà ny Malagasy. Nivoitra tamin'ny fanadihadiana natao manerana ny nosy momba ny tsy fahampian'ny singa mpamelona natao tamin'ny herintaona na ny ENCM 2024 izany...
Singa iray mamotika ny fiaraha-monina ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny fiankinan-doha aminy, indrindra ny tanora. Anisan’ny fototra mahatonga ny herisetra isan-kazany izy io. Azo atao tsara anefa ny miaina madio sy milamina lavitry ny fahazaran-dratsy, ary miaina tsy misy herisetra anjakan’ny fifanajana sy fifankatiavana ary fandriam-pahalemana. Izany dia mitaky fanabeazana ara-pitondran-tena matotra, fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, ary fanapahan-kevitra hentitra hanaraka lalan-tsaina madio... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Ifampitadiavan'ny mpanjifa ny toby mpaninjara solika mivarotra lasantsy sy gasoil eto an-drenivohitra. Misedra olana ny mpitatitra. Efa tokony nosorohana mialoha izao tranga izao, hoy ny PMH... • Fotoana hanatsarana ny lalana mifehy ny fifidianana eny anivon'ny kaominina izao, hoy ny KMF-CNOE, hisorohana ny olana mitranga tao aorian'ny fivoahan'ny voka-pifidianana Ben'ny Tanana... • Tanterahana eto an-drenivohitra ny fihaonam-ben'ny firaisamonim-pirenena andiany faharoa. Mpikambana maherin'ny 200 manerana ny nosy no manatrika izany hatramin'ny rahampitso...
Ny atao hoe " Antso loloha lanitra" dia antso ho an'ny besinimaro, antso tsy hanavahana na iza na iza ao amin'ny Eglizy. Ny fahamasinana na ny fahalavorariana no antso 'Loloha lanitra" na hoe antso iombonana amin'ny Eglizy. Antso sy natokana ho an'olom-bitsy ary tsy hanavahana na iza na iza, fa natao ho an'izay ambaratonga rehetra misy ao amin'ny Eglizy... Katesizy momba ny antso - Loloha lanitra - ho amin'ny fahamasinana ao amin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco