11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.

Solon-tenan'ny Eglizy eo amin'ny Diôsezy ny Eveka, noho ny fiombonany amin'ny Papa no maha-solon-tenan'ny Eglizy manontolo azy ampirasin'ny fiadanana sy fifankatiavana ary firaisan-kina. Ny Evekan'i Roma dia ny Papa. Izy no filoha sy fototra maharitra ary hita maso mampiray ny Eveka rehetra sy ny Kristiana. Ny Eveka dia mampandroso sy mitandro ny finoana ho iray... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

• Nampiantsoin'ny Solombavam-bahoka teny Tsimbazaza androany maraina, ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Fivoriana nikaton-trano niresahana ny manokana ny momba ny tetibola natokana ho an'ny Solombavam-bahoaka no natao, hoy ny Minisitra... • Nidina an-dalambe naneho ny fitakiany indray androany ny mpianatry ny Sekoly Ambony Polytechnique Vontovorona. Nandrava ny hetsika tamin'ny entona mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana... • 10 jona, Andro maneran-tany ho an'ny asa tanana. Isan'ny nanamarika izany isika eto Madagasikara. An-tapitrisany ny Malagasy no mivelona amin'ny asa tanana. Mahavelona ny sehatr'asa, hoy ireo misehatra aminy...

♦ Mbola tsy fantatra 6 volana aty aorian'ny fivoahan'ny didim-pitsaràna ny daty hamerenana ny fifitianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ireo kaominina 12 isa. Manaitra ny CENI amin'izany ny Kmf/Cnoe... ♦ Mitokona indray ny mpianatry ny Polytechnique Vontovorona. Nidina an-dalambe indray izy ireo, nanomboka ny maraina teo noho ny olan'ny famatsiana jiro sy rano eny amin'ny tranon'ny mpianatra... ♦ Manahy sahady ny PMH fa hidàngana be ny vidim-bary, atsy ho atsy. Ratsy ny voka-bary any Ambatondrazaka, sompitr'i Madagasikara tamin'ity taona ity, raha ny tatitr'io fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa io...

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...