♦ Paikadim-pirenena vaovao no entin'i Madagasikara hiady amin'ny kolikoly, manomboka ny taona 2025. Misy atrikasa isam-paritra hamolavolana izany... ♦ Nahatratra 4.300 taonina ny lavanila nahondrantsika malagasy tany ivelany tamin'ity taona 2024 ity... ♦ Hajoro ny fikambanan'ny infirmiera aty Afrika. Hisy ny fivoriambe ataon'ny infirnmiera malagasy any Nosibe, ny 23 hatramin'ny 25 aogositra 2024, hanomanana izany...

♦ Fifanitsahana andraikitra eo amin'ny samy mpanatanteraka no antony mampitarazoka ny fananganana ny Governemanta, hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Sakana isan'ny tsy mampandroso ny kaominina ambanivohitra ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitry ny vahoaka eny ifotony sy ny tsy fandoavan-ketra... ♦ Hanaovana ezaka manokana ao amin'ny Distrikan'i Farafangana ny lafiny fandrim-pahalemana, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana...

♦ Efa tonga an-tanindrazana ary alefa any amin'ny faritra arovana any Berenty, ireo sokatra 142 sisa velona tra-tehaka tany Comores. Sokatra miisa 208 hafa, saika ahondrana an-tsokosoko kosa, saron'ny zandary tetsy akaikin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizan'izy ireo ny hetsi-pitakiana ataony, hoy ny Sendikan'ny Mpampianatra Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra... ♦ Vehivavy iray manodidina ny 30 taona no hita faty, nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana, tao amin'ny Kaominina Imerintsiatosika omaly...

Araka ny voalaza ao amin'i Lioka 3, 21 :  tamin'ilay natao Batemy iny ny vahoaka rehetra dia natao Batemy koa i Jesoa, ka raha mbola nivavaka Izy dia nisokatra ny lanitra. Araka ny voalaza ao amin'i Matio 14, 23 : ary rehefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana ; ka noho ny alina ny andro dia Izy irery no teo... Katesizy momba an'i Jesoa, olon'ny vavaka, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...