27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.

Ny ataon'ireo manodidina dia mahatonga fisalasalana, mahatonga fanilikilihana satria rehefa tsy mifanaraka amin'ny fanaon'ny olona dia voahilika, tsy ara-miaraka. Ao anatin'ny olona ihany no isehoan'ireo karazana ady maro, mahatonga ny fiaraha-monina tsy hifankahazo ; ny tsy hafahaizana mionona no miteraka fitsiriritana sy fakam-panahy... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

• Tany amin'ny manodidina ny 485 km andrefana somary atsimo andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay “Forte Tempête Tropicale Honde”, tamin'ny 3 ora tolakandro teo... • Olona miisa enina ankehitriny no efa nosamborina sy atao famotorana, momba ilay famonoana an'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tanana voafidy tany Mangataboahangy... • Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany tetsy amin'ny kianja manara-penitra Ambohidratrimo, ny “Caravane médicale Sarobidy ny Aiko”, andiany faha-32...

  • Tsy ekena ny fisian'ny tsy maty manota, tsy ekena torak'izany ihany koa ny fitsabahan'ireo olom-boafidy amin'ny fampiharana didim-pitsarana hoy ny filoha voalohan'ny Fitsarana tampony Hugues Yves Rajoelina...
  • Mitombo ny fahantrana manerana ny nosy, nitombo ny fandanindaniam-poana ny volam-panjakàna, tsy araka ny vola miditra anatin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny vola mivoaka, ambany ny famokarana, santionany tamin'ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena 2024 ireo...
  • Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampidiram-bola ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakàna ny jono, ho an'ny jono makamba izao dia manodidina ny 15 hatramin'ny 16 lavitrisa eo isan-taona ny vola azo avy aminy...
  • Tsy misy fiovàna be misongadina amin'ny toe-pahasalaman'i Papa François mandritra ny fitsaboana azy ao amin'ny Hôpitaly Gemelli raha ny tatitra nataon'ny sampana mpampahalala vaovao ao Vatican...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...