♦ "Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana", izay no tara-kevitra hankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona ity, dia ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenam-pirenena. Nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy androany teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny sary famantarana ny fankalazana... ♦ Hitarina sy asim-panavaozana ny trano misy ny Ivon-toeram-pirenena momba ny fizahan-tany sy ny fitantanana ny trano fandraisam-bahiny INTH, eny Ampefiloha... ♦ Hita faty nihatona tamin'ny tady ny ben'ny tanànan'i Bemanonga Morondava teo aloha, Roberto Miadamana... ♦ Misesisesy ny fandraisan'ny Papa Léon-XIV ireo tompon'andraiki-panjakàna vahiny ao Vatican...

Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia mety ho fehezan-teny tsoa-tokana na mifamaly rafitra, indrindra ara-kevitra, hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Mbola azo atao ny mamorina ohabolana ankehitriny rehefa hatarafana ireo fepetra voalaza etsy aloha. Manomboka amin'ny sakan-jaza no miakatra dia afaka manao izany ohabolana izany...

♦ Ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ny andro nasiônaly ho an'ny vovonan'ny olon-dehibe amin'ny volana aogositra izao ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hatomboka amin'ny fiandohan'ny volana jona izao ny fankalazana ny faha-65 taona niverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara... ♦ Nandiso ny fivoizana amin'ny fisian'ny baiko nataon'ny Ministry ny Fitsaràna tamin'ny fifaninanana fandraisana mpandraharaha ny fonja farany teo, ny tale jeneralin'ny sekolim-pirenena manofana ho mpandraharaha ny fonja... ♦ Namoaka didy ny fampanoavana any Rosia fa tsy afaka miasa any amin'ity firenena ity ny Amnesty International...

20 mey — Ny 08 septambra 1380 tao Massa Martima, no teraka avy amin'ny fianakaviana andriana i Bernardin. Vao telo taona monja izy dia maty ny rainy ary teo amin'ny faha-6 taonany izy no nodimandry ny reniny ka ny nenitoany no nitaiza azy.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...