Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 5, 1-8)

Esory re ny lalivay ela, satria efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika.

Ry Kristianina havana, re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atý aminareo,
sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny jentily aza,
dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!
Izany ve ka ianareo indray no miavonavona e!
ny tenanareo tsy malahelo amin’izany akory;
ilay nanao izany tsy nesorinareo tsy ho eo aminareo koa!
Izaho, na dia tsy teo aminareo ara-batana aza, dia teo am-panahy,
sy efa nitsara sahady an’ilay nanao izany zavatra izany,
toy ny teo aminareo ihany.
Koa amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika
eo am-pivorianareo rehetra sy ny fanahiko eo afovoanareo,
omban’ny herin’i Jesoa Tompontsika:
dia aoka izany olona izany hatolotra an’i Satana, mba ho simba ny vatany,
fa ho voavonjy kosa ny fanahiny amin’ny andron’ny Tompo.
Tsy mety lahy ny nireharehanareo lozan-tany erý!
Tsy fantatrareo angaha fa lalivay kely foana
dia mampibonaka ny vongan-dafarinina manontolo?
Esory re ny lalivay ela, mba ho vongana vaovao ianareo,
sady efa mofo tsy misy lalivay rahateo ianareo,
satria efa voavono i Kristy, izay Paka ho antsika.
Koa aoka àry isika hankalaza ny fety,
tsy amin’ny lalivay ela, na amin’ny lalivaim-paharatsiana aman-dolom-po,
fa amin’ny mofo tsy misy lalivay,
dia ny fahadiovam-po amam-pahamarinana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 5, 5-6. 7. 12

Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho.

Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;
ny olon-dratsy tsy monina ao aminao;
ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao;
ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.

Ny mpiteny lainga
levoninao;
ny tia ra, ny mpamitaka,
halan’ny Tompo!

Izay rehetra mifefy aminao kosa, hifaly;
izay arovanao, hihoby mandrakizay.
Eny, hiravo aminao
izay tia ny Anaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)

Nitsikilo Azy izy ireo na hanasitrana andro Sabata Izy na tsia.

Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:

“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”

Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”

Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 35, 4-7a)

Halady ny sofin’ny marenina, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.

Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:
Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo.
Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba, halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Fa hisy rano miboiboika any an’efitra;
ary sakeli-drano eny amin’ny tany lemaka lava volo.
Ny tany hay hanjary farihy, ary ny tany mangetana ho loharano.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 145, 7. 8-9a. 9bd-10

Izaho midera ny Tompo raha mbola velona aina.

Ny Tompo mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny ireo ampahoriana.
Ilay manome sakafo ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ilay Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 2, 1-5)

Moa tsy ny mahantra va no nofidin’Andriamanitra ho mpandova ny fanjakany?

Ry kristianina havana,
aza asiana fizahantavan’olona ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompontsika be voninahitra.
Raha, ohatra, ka misy olona miditra amin’ny fivorianareo:
ny iray miperatra volamena sy mitafy saro-bidy,
ary ny iray kosa mahantra ratsy fitafiana,
ka ilay mitafy saro-bidy no jerenareo sy ataonareo hoe:

“Mipetraha ianao eto amin’ny toerana aloha”;

fa ilay mahantra kosa ilazanareo hoe:

“Mitsangàna ery”, na “mipetraha eto amin’ny fitoeran-tongotro”;

moa tsy miangatra va ianareo amin’izany, sy tonga mpitsara ratsy hevitra loatra?
Henoy ange, ry kristianina havako malala:
Moa tsy ny mahantra eo imason’izao tontolo izao va
no nofidin’Andriamanitra ho mpanan-karena amin’ny finoana,
sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an’izay tia Azy?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 31-37)

Nampalady ny marenina Izy, ary nampiteny ny moana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany amin’ny faritanin’i Tira,
ary namaky ny faritanin’i Sidôna
ka tonga tany amoron’ny ranomasin’i Galilea, amin’ny faritanin’i Dekapôly.
Tao dia nisy lehilahy anankiray sady marenina no moana nentin’izy ireo teo aminy
sy nangatahiny mba hametrahany tanana.
Dia nitondra azy niavaka tamin’ny vahoaka Izy,
ka nangarona ny sofiny tamin’ny rantsan-tanany sy nanisy rora ny lelany.
Raha efa izany dia niandrandra ny lanitra Izy,
sady nisento ary nanao taminy hoe:

“Efetà!”, izany hoe, “misokafa!”

Niaraka tamin’izay dia nisokatra ny sofiny
ary voavaha ny fatoran’ny lelany, ka niteny tsara izy.
Ary noraràny ny olona tsy hilazalaza izany na amin’iza na amin’iza;
fa araka ny nandraràny azy ireo no vao mainka nampielezany izany kokoa aza;
sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe:

“Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony,
fa nampalady ny marenina Izy sy nampiteny ny moana”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...

♦ Mbola tsy misy fihenany ny isan'ireo vehivavy tratry ny aretina mamany-lava mandalo fandidiana eny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona. Vehivavy 1/20 no mahazo fitsaboana eto Madagasikara... ♦ Mbola nanamafy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena tany Toamasina fa maimaimpoana ny saram-pisoratana anarana ho an'ny ankizy marefo any amin'ny sekolim-panjakàna manerana ny nosy... ♦ Miampy 9 isa indray ireo mpilatsaka an-tsitrapo "Peaces Corps" nahavita fianianana hiasa amin'ny Faritra miisa 7 eto Madagasikara. Hampianatra eny amin'ny Lycée sy ny Sekoly ambaratonga faharoa no andraikitr'izy ireo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...