♦ Hamory ireo mpiantsehatra voakasiky ny fifidianana eny Alarobia rahampitso ny CENI. Fotoana ifanakalozan-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Tanimbary 7.000Ha no maina noho ny tsy fisian'ny rano any amin'ny lemak'i Bas-Mangoky.Simba ny foto-drafitr'asa any amin'ny "Prise Bevoay", ka itarainan'ny tantsaha... ♦ Olona 4 no maty vokatry ny faharendrehin'ny lakana nentin'izy ireo tao Imahasoabe, Distrika Vohipeno. Mbola tsy hita popoka izy 4 mirahavavy mianaka ireo hatramin'izao... ♦ Tsy mbola voatendry omaly indray ny Praiministra vaovao any Frantsa. Nolavin'ingahy Macron ny fanoloran'ny NFP an-dramatoa Lucie Castets ho lehiben'ny Governemanta...

♦ Voatendry ho PDS vaovao hitantana vonjimaika ny tanànan'Antananarivo Ramatoa Harilala Ramanantsoa. Izy indray no hisolo an'Andriamatoa Richard Ramanambitana... ♦ Manomboka midina an-kianja ireo Ministra anatin'ny Governemanta vaovao, taorian'ny nanendrena azy ireo. Miandrandra asa mipaka amin'ny fiainany ny Malagasy maro... ♦ Manomboka miakatra tsikelikely ny vidin'ny Vary Gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo amin'izao. Hanazava izay eto ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Naato indray omaly ny famatsiana ny fanampiana ny maha-olona mankany amin'ny faritr'i Gaza izay tanterahin'ny Firenena Mikambana. Nanaitra ny sivily hiala ao Deir-al-abalah ny tafika israeliana...

♦ Manomboka midina an-kianja ireo Minisitra anatin'ny Governemanta vaovao. Miteraka fifanitsahana andraikitra ny fisiana Minisitra sy Sekreteram-panjakana amina sehatra mitovy, hoy ny mpamakafaka pôlitika iray... ♦ Miakatra tsikelikely ny vidin'ny vary gasy eny amin'ireo tsena eto Antananarivo. Ariary zato isan-kilao eo io fiakaram-bidy io, hoy ny filohan'ny PMH... ♦ Manambana ny hitokona indray ireo mpianatry ny Oniversiten'i Maninday any Toliara, raha nanao fanambarana. Mpianatra miisa 361 no voalaza fa mbola tsy mandray vatsim-pianarana taom-pianarana 2023-2024 hatramin'izao...

♦ Tontosa omaly ny Eokaristia fanirahana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly sy famaranana ny Fihaonambe Nasiônaly notanterahan'ny AFAFI-FET teto Madagasikara, tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Manentana antsika mianakavy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, mba hanao hatrany ny vavaka isan-tokantrano hangatahana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo... ♦ Nanentana ny mpino hanaraka an'i Jesoa, na dia sarotra aza izany, ny Papa François nandritra ny vakaka Angelus omaly...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...