♦ Mahantra amoron'ny harena ny ankamaroan'ny Malagasy. Olom-bitsy koa no misitraka ny fitrandrahana ireo harena an-kibon'ny tany, izay hihazakazahan'ny firenena mpitady tombotsoa, hoy ny fanambaran'ny "Justice et Paix"... ♦ Miseho lany indray ny tsy fitovian-kevitra eo anivon'ny samy fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona (CNIDH)... ♦ Hisokatra ho an'ny besinimaro manomboka anio zoma eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny "Andron'ny seha-pamokarana eto an-toerana"...
16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.
16 mey 2025 — Zoma, Herinandro fahefatra Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)
♦ Namoaka hafatra ny "Justice et Paix" eto Madagasikara, androany. Misongadina amin'izany fa mahantra ny ankamaroan'ny Malagasy, nefa ahitàna otrikarena maro i Madagasiara... ♦ Mandeha ny resaka eny Tsimbazaza momba ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta ; solombavambahoaka maromaro, mpanohana ny fitondrana no voalaza fa mikononkonona izany...♦ Natao androany ny fifidianana ny solontenan'ireo fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CNIDH. Nisy sasantsasany amin'izy ireo no nilaza fa nametraka fitoriana satria tsy nanara-dalàna ny fifidianana... ♦Nahafatesana olona 2 sahady ny fiandohan'ny vanim-potoanan'ny doro ala sy tanety any Canada...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco