♦ Nitombo 12 ny isan'ny solombavambahoaka hofidiana amin'ny 29 mey ho avy izao. Nolanian'ny Filan-kevitry ny Ministra ny Didim-panjakàna famenon'ny Didim-panjakàna tamin'ny taona 2019 mamaritra ny isan'ny mpikambana ao amin'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nigadona an-tanindrazana omaly ny filohan'ny antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine. Sakana ho an'ny fampandrosoana an'i Madagasikara hoy izy ny tsy fahalavorarian'ny famatsiana herinaratra... ♦ Mitaky ny hanendrena ny governoran'ny Faritra Amoron'i Mania ny tompon'Anaran-dRay ao amin'izany Faritra izany. Ny Governora teo aloha izay lasa Ministry ny mponina sy ny Firaisan-kina...
Ny fitsaihana sy ny fiheverana fa tsy mbola ain'olombelona ny tsaika raha tsy mipetraka ao amin'ny tranon-jaza dia hevi-diso. Tsara ho fantatry ny rehetra fa raha vao misy firaisana ara-nofo fotsiny eo amin'ny fotoana mahavaky tsiry ny vehivavy ka tafakambana amin'ny tsirinaina vavy iray ny tsirinaina lahy iray dia manomboka eo no fiforonan'ny ain'olombelona, tena azo antoka io, noho izany dia olombelona tena manana aina ny tsaika. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
14 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 5, 31-47)
Tsy misy "fièvre jaune" eto Madagasikara fa matoa mavomavo ny hoditra na ny maso na ny tanana dia satria misy fiparitahan'ny ranon'afero ao anatin'ny lalan-drà. Raha ny fambara "ngorongosy" no mitranga amin'ny olona iray dia tokony hamonjy tobi-pahasalamana haingana ; tsy maintsy manao fialantsasatra tsara ny olona tsy salama, satria tsy tomombana ny asan'ny aty raha toa ka reraka. Ny hepatita "A" dia mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra ao am-bava, avy amin'ny sakafo. Fambara : miloko mavo ny faritra amin'ny vatana, mandoa miloko, fiakaran'ny hafanana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco