Zava-dehibe ny ady amin'ny fialonana sy ny fifankahalana eo amin'ny fiainana andavanandro satria ireo no miteraka ny lonilona maro, izay tsy mendrika ny kristiana. Hoy Mgr Gilbert Ramanantoanina : rehefa manao zavatra dia ataovy amin'ny fitiavana sy amin-kitsipo tokoa. Manoloana izao fiomanana amin'ny fiavian'ny Tompo izao dia aoka isika hiezaka hanadio ny ati-fo : miala amin'ny lainga, fiavonavonana, herisetra... Manana adidy lehibe ny kongresin'ny Eglizy Kristiana maneran-tany mba hanentana ny olona hitodika bebe kokoa amin'Andriamanitra amin'izao vanim-potoanan'ny fiomanana amin'ny fiavian'ny Tompo izao...

Ny kristiana dia sady olom-pirenen'ny tany no olom-pirenen'ny lanitra ; tsy afaka hanao ambanin-javatra ireo toetra roa ireo izy ieo. Teboka roa no misongadina amin'ny fianakaviana ao amin'ny Eglizy sy ny raharaha pôlitika : voalohany, fototra iorenan'ny fianakaviana ny fiombonam-piainan'ny mpivady ; faharoa, tsy araka ny hevitry ny Eglizy ny fitantanana ny raharaham-bahoaka tsy mitsinjo ny fianakaviana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo : amboary ny lalan'ny Tompo ; ahitsiho ny alehany dia hahita ny famonjen'Andriamanitra ny nofo rehetra. Hoy i Izaia hoe : misava lalana any an'efitra ho an'ny Tompo, manorenana arabe any amin'ny tany lavavolo ho an'Andriamanitra, ao ny lohasaha rehetra hasandratra ; izany dia taratry ny fiomanana amin'ny Fiavian'ny Tompo, fa eto izy dia mihendrika sarin-teny. Ny fotoanan'ny Fiavian'ny Tompo dia hanomezan'Andriamanitra ny olon-drehetra ny fankaherezana...

10 desambra 2023 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...