Efa hita taratra ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny sehatra maro. Isan-taona dia manao fihaonam-be ireo firenena rehetra ao anatin'ny Firenena Mikambana nanao sonia ny fifanarahana lasitra amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Efa misy vokatra azon'i Madagasikara tamin'izany ka entanina hatrany ny tsirairay handray an-tanana ny fiarovana ny tranobe iombonana, araka izay manandrify azy avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

♦ Tsy antenaina ny hahatanterahan'ny fihaonana eo amin'ireo Solombavam-bahoka sy ny mpikamban'ny Governemanta anio, na dia mbola voatazona aza ny fandaharam-potoana ny amin'izany... ♦ Noravan'ny Filankevi-panjakana ny didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, izay nampiato ny fandroahana an' Baba Rakotoarisoa amin'ny asany... ♦ Niantso ny mpanjifa ho mailo amin'ireo entana lany daty, ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, amin'izao vanim-potoana hidirana amin'ny fety izao...

Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

8 desambra 2023 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...