Ireo dingana efa nolalovan'ny fandaharana "mba ho vanona" : Ny ambaratonga voalohany dia ny fitiavana ; ankehitriny dia eo amin'ny ambaratonga faharoa isika izao, dia ny firesahana ny safidy, ity farany dia harena nomen'Andriamanitra ny olombelona. Ny olona tompon'andrikitra dia olona manana vina sy tanjona, isan'ambaratongany... Fandaharana "mba ho vanona" iaraha-miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nifarana omaly ny fahafahana manatitra ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry hirotsaka kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 9 novambra ho avy izao. Miisa 28 ny kandidà nanatitra izany teny amin'ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana teny Ambohidahy... ♦ Nanambara tamin'ny fomba ôfisialy amin'ny maha kandidà azy amin'ny fifidianana filoham-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina. Ny vahoaka hoy izy no masimandidy eto amin'ny firenena... ♦ Mihatra ao Antananarivo sy ny manodidina nanomboka omaly hatramin'ny rahampitso ny fepetra manokana hitandrona filaminana. Tsy azo ekena ny hetsika tsy manara-dalàna mety hitarika korontana hoy ny Préfet an'Antananarivo ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...

Zo fototra iorenan'ny fiainam-pianakaviana ny asa, ary miantoka ny fizotry ny fanabeazana. Mifamatotra sy mifampiankina ny fiainan'ny fianakaviana sy ny asa. Mba hananan'ny olona tsirairay ny vintana mitovy sy ny haja sahaza dia ilaina mametraka pôlitika mahomby momba ny asa ; ilaina izany mba ho fanomezana vahana ny maha-fototra ny fianakaviana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

7 septambra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 1-11)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...