♦ Miahiahy amin'ny fisian'ny Biraom-pokontany miisa 6 arivo sy Biraom-pifidianana marobe hoforonina ny APOGENIE. Nanamafy ny fametrahana Governemanta tsy miandany hanomana ny fifidianana ity vovonana ity, manoloana izany... ♦ Nivaha amin'ny ankapobeny ny olana nampitokona ireo mpiasan'ny CNaPS nandritra ny iray volana. Hisokatra isan'andro amin'izay ny biraon'ny CNaPS manerana ny nosy manomboka izao... ♦ Mbola tsy nisy voasambotra hatramin'ny androany ireo enin-dahy tafatsoaka nandritra ny fahavakisan'ny fonjan'i Mananjary...
♦ Mbola tsy isan'ireo handray anjara amin'ny fifidianana eto Madagasikara aloha ireo "diaspora" Malagasy. Nambaran'ny CENI fa efa nikatona ny lisi-pifidianana hampiasaina amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ Mbola mitohy ny fikarohana ireo voafonja miisa enina tafatsoaka tao amin'ny fonjan'i Mananjary. Nahetsika avokoa ireo mpitandro ny filaminana hanao ny fikarohana... ♦ Tyy misy afa-tsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany aloha hatramin'izao no mamerina tsikelikely ny vola nindraminy tao amin'ny CNaPS...
Anatin'ny fanandevozana dia tsy afaka mihary ny olona, tsy afaka maneho ny maha izy azy fa araka izay baiko nomena, na asan'ny tanany aza. Torak'izany, tsy araka ny baikon'ny saina sy ny talenta, tsy araka ny sitrapo, tsy voakolo araka ny saina. Very ny fahamendrehana : tsy misy fiheverana ny maha olona. Nanompo olombelona ny vahoaka israely tsy afaka nanompo an'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
2 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco