♦ Asa tanamaro, fanarenana ny CEG Mananjary, izay potiky ny rivodoza Freddy, no namaranana ny fitsidihan'ny Filohan'ny Repoblika, ny tany Mananjary androany tolakandro... ♦ Tsy hampisy fitoniana amin'izao mialoha ny fifidianana izao, ny fanakanana ny antoko pôlitika hamory ny mpomba azy, toy ny teny amin'ny Magro Behoririka androany, hoy ny Tanora RMDM... ♦ Mila hamafisina ny fanatsarana ny ady amin'ny kolikoly eo amin'ny sehatry ny harena an-kibon'ny tany malagasy, hiarovana ny zon'ny mponina voakasika, hoy ny TI-MG androany...

♦ Nanatontosa ny atrik'asa fandravonana ny angonan-kevitra ho an'ny Sinaody "Eglizy miara-dia", dingana kaontinantaly ireo solontenan'i Madagasikara, ny 15 ka hatramin'ny 19 febroary 2023... ♦ Nosokafana ny alahady 19 febroary 2023 ny Aumônerie Catholique Universitaire ao amin'ny Diôsezin'Ambositra... ♦ Sorona Masina tamin'ny fombam-pivavahana bizantinina, notarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao Vatican, Mgr Paul Gallagher, no nanamarihan'ireo mpino okreniana ny tsingiren-taona voalohan'ny adin'n'i Russie sy Ukraine, ny talata 20 febroary 2023...

Ahiahiana ho miverina ao amin'ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany indray ilay valan'aretina "Fièvre de la Vallé de Rift" na ny FVR efa nirongatra tany amin'ireo Faritra ireo ny taona 2021. Aretina mahazo ny omby sy ny ondry ary ny osy, izay mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina ny FVR. Nanomboka hita tao Vatovavy sy Fitovinany ity aretina ity ny volana janoary lasa teo, ka omby 20 isa no efa maty ho an'ny ao Mananjary sy ny Nosy-Varika...

♦ Tsy tafiditra teny amin'ny Magro Behoririka androany ny TIM, noho ny sakana nataon'ny mpitandro ny filaminana... ♦ Tafakatra ho fito ankehitriny, ireo olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, araka ny tatitry ny BNGRC... ♦ Dingana iray ahafahana mametraka paik'ady sy maka fepetra haingana eo amin'ny fitantanana ny harena voajanahary, ny haitao sahanin'ny ONE...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...