Tsy maintsy misy ny vavaka ho an'ny mpitondra fanjakàna ao anaty ny litorjia satria adidy no manery ny rehetra ny manaiky sy manome haja ny mpanam-pahefana, araka izay tokony hatao aminy, araka ny famendrehany, araka ny raharaha ataony. Manana adidy hitondra am-bavaka azy ny vahoaka mba hatontosany ny adidiny. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Sabotsy 23 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30
♦ Miangavy ny fitondrana hanaiky hifampidinika araka ny antson'ny FFKM, ny Hery Pôlitika Mitambatra, raha nanao fanambarana androany... ♦ Mitaky ny hamerenana ny fizarana ny tamberim-bidy izay arotsaky ny orinasa Ambatovy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ho an'ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana izay tokony hisitraka izany, ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Oniversite 13 no namboarin'ny fitondram-panjakana tao anatin'izay telo taona sy tapany izay, ary sekoly manara-penitra miisa 931 no naorina...
♦ Diakra efatra miarahalahy avy amin'ny Fikambanana Karma no nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Moramanga, ny 17 jolay 2022... ♦ Hotsofin-drano ny alahady 24 jolay 2022 ny tsangambaton'ny taom-bolamenan'ny CEPAL... ♦ Niantso ny rehetra hihaino ny feon'ny voahary ny Papa François amin'ny Andro eran-tany hivavahana ho fiarovana ny voahary...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco