♦ Misokatra ho an'ny rehetra manana ny mari-pahaizana bakalôrea ny sekoly ambony mampianatra manokana ny Filôzôfia, tantanan'ny Fikambanan'ny Salezianina "ISSAFI" any Ankofafa - Fianarantsoa... ♦ Handraisana fepetra entitra sy haingana ireo tompon'andraikitra naha-tafa-poritsaka ny kôlônely Rakotomamonjy Patrick, izay natao fanadihadiana tao amin'ny toby hoy ny filoha Malagasy Rajoelina Andry... ♦ Pôlisy amperinasa no nanome ilay "cocarde" nampiasainà teratany vahiny tsy ara-dalàna tany Behenjy Faritra Vakinankaratra hoy ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Filaminam-bahoaka... ♦ Natomboka tamin'ny alalan'ny Lamesa ny Conclave androany 7 mey...

Ny ray aman-dreny sy ny zokiolona dia manana andraikitra hifampizara traik'efa sy hampita izany amin'ny ankohonany avy. Ny hasin'ny ankohonana dia misongadina ho azy rehefa maneho fifampizaràna ny ray aman-dreny. Ny ankohonana dia lalam-piainan'ny zanak'olombelona, singa iray ao anatin'ny tsingerin'ny fiainan'ny olombelona, izay miantoka ny fitohizan'aina. Mbola manohy ny maha-izy azy ny olona iray na ao anatin'ny tokantrano aza fa manana sy mametraka tanjona iombonana kosa, izay manome aina vao ny tokantrano... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Hanomoka anio alarobia 7 mey 2025 ny "conclave" ireo kardinal 133 hiatrika ny fifidianana izay ho Papa vaovao any Roma... ♦ Miezaka manakorontana saingy tsy misy mpihaino ny mpanohitra hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan'ireo Loholona omaly teny Anosikely... ♦ Ny alarobia 21 mey ho avy izao no  hiatrika fanadihadiana lalina momba ilay loza nahafatesan'olona miisa 4 teny By-Pass ilay teratany Sinoa voasaringotra tamin'iny loza iny, nalefa vonjimaika eny Tsiafahy izy mandra-piandry izany...

07 mey — Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Flavie, zanak’i Domitilla sy Quintus Petillius Cerialis izy ary dadatoany ny amperora Domitien. Nanambady an'i Titus Flavius Clemens i Flavie ary niteraka roa lahy izy ireo. Samy Titus Flavius no anaran’ireo zanany ireo, teraka ny taona 88 ny voalohany ary ny taona 90 ny faharoa, ka i Quintilien no nanabe an'ireo zanany ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...