♦ Mihazo vahana tato ho ato ny fisolokiana anaty tambajotran-tserasera. Fitarainana maro momba izany no voarain'ny vaomiera misahana ny helokoa an'habaka eo anivon'ny Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Hatsaraina ny kalitaon'ny fanofanana arak'asa omen'ireo ivon-toeram-piofanana 8 tantanan'ny Saleziana Don Bosco sy ny FMA eto Madagasikara. Navaozina ny fiaraha-miasa momba izany niarahana tamin'ny Via Don Bosco avy any Belzika... ♦ Mitaraina ny sendikàn'ny Polisy SEFPONAM fa mbola misy ny antsojay atao amin'ireo mpitarika sendikà. Porofon'izany, hoy ny sendikà, ny tsy fanatanterahana didim-pitsaràna momba ny zo arak'asa...
♦ Nofaranana omaly ny fanamarihana ny faha-100 taona ny seminera zandriny eny Ambohipo. Notokànana sy notsofin-drano tamin'izany ny tsangambaton'ny jobily fankalazàna... ♦ Nanamarika ny fetin'ny reny isika teto Madagasikara omaly. Miatrika fahasahiranana ny reny amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana, hoy ireo renim-pianakaviana nanaovana fanadihadiana teny an-dalambe teny... ♦ Mbola nisy tranga Covid-13 ka tranga 63 isa indray no hita tao anatin'ny herinandro. Marary 02 no matin'ity valan'aretina ity, raha ny antontan'isa navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nahafaty olona 79 isa farafahakeliny ny ora-mikija any Brésil. Olona maherin'ny 50 no tsy hita popoka vokatry ny fiavian'ny orana...
Masina ny Aina ka izay no mahatonga an'Andriamanitra hiaro ny Ain'olona sy handràra ny famonoan'olona, ary ny fanakanana ny aina aza dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra. Ny fanajana ny aina dia hita taratra ao anatin'ny didy folo : aza mamono olona. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 30 mey 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco