♦Nitokana fotodrafitr'asa maro tany Vohipeno sy Farafangana omaly ny filoham-pirenena. Ho an'ny lalana ao Farafangana, volam-panjakana no nanaovana izany hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Nihaona tamin'ny mpikirakira lavanila maintso tany amin'ny faritr'i Sava ny ministry ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Tsy maintsy jerena ny tombotsoan'ny tantsaha mpamokatra hoy Andriamatoa Edgard Razafindravahy... ♦ Harena ankibon'ny tany : hamerina an'ireo mpitrandraka madinika anatin'ny sehatra ara-dalana ny ministera tompon'andraikitra... ♦ Mbola nampitandrina an'i Suede sy Filande amin'ny fikasany hiditra ao amin'ny OTAN i Rosia...

Ny olona rehetra dia mitovy hasina, noho izy nohariana hitovy endrika aminy ary manahaka azy. Raha manan-kasina ny olombelona tsirairay eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy tokony hifanohitra amin'izany ny olona iray eo anatrehan'ny olombelona iray hafa. Noho ny fitovian-kasina dia tokony firahalahiana lalim-paka no misy eo amin'ny olombelona samy olombelona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Sabotsy 7 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky sy Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao, ary nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 62-79

♦ Tany Vohipeno sy Farafangana androany ny filohan'ny repoblika, nitokana fotodrafitr'asa maro... ♦ Hatrany amin'ny 80 tapitrisa dollard ny trosan'ny kaompaniam-pitanterana Air Madagascar, amin'izao fotoana izao, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Olona maherin'ny 500.000 amin'izao no misehatra amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany tsy ara-dalàna, noho ny tsy namoahana fahazoan-dalana mitrandraka intsony. Toeram-pitrandrahana 120 isa eo farafahakeliny no iasan'izy ireo... ♦ Firenena voalaza ho nahafatesana olona betsaka vokatry ny valanaretina Covid-19 ny any Inde, raha ny tatitra avy amin'ny OMS...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...