Alarobia 20 aprily 2022 — Alarobia amin'ny havalonandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35

♦ Tsy misy ahiana ny tahirin-tsolika eto amintsika. Mbola maharitra iray volana eo ny tahiry ho an'ny Faritra samy hafa eto amin'ny nosy. Efa tonga ao Toamasina ihany koa ny sambo mitondra ny solika nafarana avy any ivelany... ♦ Nikaon-doha momba ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana ireo mpisehatra samihafa androany. Resy lahatra ireo tantsaha mampihatra ity fomba famokarana ity fa nanatsara ny velon-tenany ny fanaovana izany... ♦ Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan'ny nosy hatramin'ny zoma ho avy izao...

♦ Lasa aloha loatra ny fanomanan'ireo mpanao pôlitika ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin'ny taona 2023, hoy ny fijerin'ny ACP eo anivon'ny Fikambanana Zezoita... ♦ Amin'ity herinandro ity no voafaritra fa hihaona amin'ny mpitantana ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena, any Washington, ny Filoham-pirenena Malagasy... ♦ Misy fahadisoan-kevitra ny fomba fitiliana ireo mpilalao eto an-toerana afaka handrafitra ny Barea Zandriny, raha ny fijerin'ny K2HB...

♦ Nakotroka ny fiatrehan'ny Malagasy ny fetin'ny Paka sy ny alatsinainin'ny Paka tamin'ity taona ity. Hita sy tsapa ny hetahetan'ny olona, te hiala voly tao aorian'ny roa taona nisian'ny fihibohana... ♦ Olona valo no natelin'ny rano, omaly alatsinainin'ny Paka. Ny enina nalentiky ny lakana mpitondra mpitsangatsangana tany Tatamarina Betafo ; nisy koa ireo nofaohon'ny ranomasina tany amin'ny Grand Pavois any Mahajanga... ♦ Manomboka misoko miadana indray ny valan'aretina entin'ny Covid-19. Nahitana tranga 32 vaovao indray ireo olona natao fitiliana hatramin'ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...