An'ny daholo be ny harena, natokon'Andriamanitra ho an'ny rehetra. Amin'ny maha avy amin'Andriamanitra ny harena dia tsy tompony ianao fa mpitantana izay hananao. Ilaina ny fisian'ny fitsipi-pifehezana mba hahafahana miaina ny zo ary manangana tontolo ara-drariny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Sabotsy 16 aprily 2022 — Sabotsy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 1-12

♦ Tena ialina eto amin'ny firenena ny fifampiresahana saingy mila faritana mazava sy mitovy ny tanjona amin'izany, hoy ny CFM... ♦ Hitondra ainga vao eo amin'ny tontolon'ny fizahan-tany ny fisokafan'ny seranam-piaramanidina any Nosy Be, saingy tsy azo atao ambanin-javatra ny fitandroana ny fahsalamana, hoy ny Loholona teo aloha, Joseph Yoland... ♦ Ny 85%-n'ireo asa fananganana trano fonenana vaovao eny Imerintsiatosika kosa no efa vita, hoy ny tompon'andrikitra miadidy ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana...

Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...