♦ Nahazo fahafahana vonjy maika i Clémence Raharinirina, tao aorian'ny fiakarany Fampanoavana teny amin'ny Fitsarana Anosy omaly. Amin'ny 3 mey izao ny fotoam-pitsarana azy... ♦ Miverina indray ny disadisa eo amin'ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Anosiala sy ireo mpivarotra ao anatin'ny fikambanana FIMA. Hiverina tsy ho ela eny amin'ny Fitsarana ny raharaha... ♦ Nitondra fanazavana momba ireo raharaha mafampana sy nanabe resaka teto amin'ny firenena kosa ny Talen'ny serasera eo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika...
Ilaina fantarina tsara ny atao hoe soa iombonana. Tsy misy afa-mialangalana, fa tsy maintsy samy manao araka izay vitany manoloana ny soa iombonana. Tsy misy fampandrosoana rehefa tsy hihevitra ny soa iombonana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Zoma 15 aprily 2022 — Zoma Masina. Ny fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1 — 19, 42
♦ Ny tsy fananantsika politika mitsinjo lavitra amin'ny lafiny toe-karena no isan'ny mampidangana ny vidim-piainana ankehitriny hoy Andriamatoa Danny Rakotoson, mpandraharaha... ♦ Hamadika ny toe-karena eny ambanivohitra any amin'ny lafiny tsara ny fampiroboroboana ny famokarana ara-biolojia. Fahaefatra eran-tany mpanondrana vokatra ara-biolojia isika ankehitriny... ♦ Mifampizara traik'efa ny sekolim-pirenena manofana mpandraharahan'ny fonja eto Madagasikara na ny ENAP sy ny sekolim-pirenena frantsay manofana mpandraharahan'ny fonja. Tontosa tany Antetezambaro-Toamasina ny atrik'asa momba izany...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco