Eo ampanaovana adidy dia tsy ilaozan'ny maha-izy azy ny lehibem-pikambanana ; entiny manatanteraka ny andraikiny ny fanomezam-pahasoavana sy ny kilemany, ny herim-panahiny sy ny halemeny, ny haren-tsainy sy ny fetram-pahalalany. Na ny Lehibe na ny mpikambana dia samy olombelona, manana fetrany, ka mety hampangirifiry sy hampijaly ny fanekena. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Talata 11 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28
♦ Tonga any Andekaleka ny "groupe" fahefatra sy ny "transformateur" miaraka amin'izany, ka fara fahatarany afaka enim-bolana hahavitan'ny asa dia heverina fa hiakatra hatrany amin'ny 128MW ny tanjaky ny herinaratra ho vokarian'ny ao Andekaleka... ♦ Hanamafy ny fijerena manokana ny tantsaha Malagasy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjafana. Hisantarana izany ny fametrahana toeram-pamokarana fary sy orinasa lehibe hanodina izany ho siramamy, any Ilaka-Est, any Vatomandry...
♦ Nanatanteraka ny fitsidihana Pastoraly voalohany ho an’ny taona 2022 tao amin’ny Diosezin’Ambanja i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevakan’Antsiranana, Admnistrateur apostolique ao Ambanja... ♦ Tsy mamela antsika ho irery fa miombona amintsika mpanota te hibebaka i Jesoa, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniana, Evekan’i Morondava, nandritra ny fanamasinana ho diakra ireo frera karma telo, nandritra ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo omaly... ♦ Ny vavaka no mampiaina ny fiainantsika, hoy ny Papa François, tamin’ny fampianarany nialoha ny vavaka Angélus omaly, alahady nankalazana ny Batemin’ny Tompo...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco