♦ Miroso ny fanomanana ny JMJ Mada andiany faha-10. Nisy ny iraka nataon'ny VPKT tany Antsirabe tamin'ity herinandro ity... ♦ Malalaka ny fandraisana anjara amin'ny fifidianana amin'ny taona 2023, hoy ny filoha Rajoelina Andry... ♦ Misy amin'ireo sekoly no efa miomana amin'ny fanampiana ireo mpianatra raha toa ka mbola hihitatra aorian'ny 17 janoary ny fidirana...
Raha vao voatendry ny lehibem-pikambanan'ny relijiozy iray dia tsy tokony hampiasa ny fahefana, izay omena azy, araka izay tiany hatao, fa ampiasainy ho fitaovana hanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra izany. Ny torolalana harahina dia mifototra amin'ny Lalam-panorenan'ny fikambanana, ny fanomezam-pahasoavana ary ny fivoriam-be. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Sabotsy 8 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 22-30
♦ Misy lalana momba ny "utilité publique", hoy ny Filoham-pirenena androany, manoloana ny fisian'ny fanoherana ilay tetik'asa téléphérique eny amin'ny Saint Michel Amparibe. Tsy maintsy hitadiavana vahaolana, hoy izy, ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra... ♦ Ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ny JMJ Mada faha-10 ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Nisy ny fivoriana fanomanana izany, notarihin'ny VPKT tany an-toerana, nifarana androany...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco