Zoma 25 marsa 2022 — Fankalazana ny filazan'ny Anjely — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

♦ Nanao hetsika androany ny solontenan'ireo fokontany enina, voakasik'ilay tetik'asa Tana-Masoandro eny Imerintsiatosika. Mitaky ny tsy hikitihana ny taniny izy ireo, nefa mitaraina fa kononkononina hosamborina ny mpitarika... ♦ Miantso ny Fitsarana mba tena hitana ny fahamarinana ny fianakavian'ireo ankizilahy kely roa nitsahan'ny fiara teny Tsarasaotra... ♦ Miandry ny fanatanterahana ny vahaolana naorosony, manoloana ny fidangan'ny vidim-piainana, ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa PMH...

♦ Tanterahana any Antsirabe mandritra ny telo andro ny atrik'asam-pirenena hanatevenana ny fampiharana ireo fifanarahana iraisam-pirenena momba ny asa nosoniavin'i Madagasikara... ♦ Tsy tokony hisy fiatraikany goavana ara-toekarena eto amintsika ny ady any Ukraine raha manana paik'ady mazava hiatrehana izany i Madagasikara hoy Andriamatoa Mohamady Sakra... ♦ Miisa roa ireo kandidà hifaninana eo amin'ny toeran'ny  filohan'ny Oniversite Antananarivo. Mbola vonona ny hanohy ny asa fanatsarana efa natombony ny fioloha amperin'asa, ny Pr Ravelomanana  Mamy...

Ny fahavanonana no ahafahana mitrandraka ny talenta sy ny safidy nomen'Andriamanitra an'ny tsirairay, hatafita amin'ny fiainana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...