♦ 14 ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Emnati teto amintsika, araka ny tatitry ny BNGRC omaly hariva, 153 000 ireo traboina... ♦ Miisa 16 ny olona lavon'ny covid-19 teto amintsika tao anatin'ny herinandro farany. Midina hatrany ny isan'ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina tamin'ity febroary ity...  ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny sabotsy teo ny fanamarihana ny faha-75 taonan'ny Alliance Française eto Antananarivo...

Miezaka ny hamaha ireo karazam-patorana mangeja sy manandevo ny olombelona ny kristiana lahika. Miara-miasa amin'ireo olona tsara sitrapo izy mba hahafahany manangana tontolo ankakan'ny rariny, tontolo mendrika hiainana ary manaja ny voalika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alatsinainy 28 febroary 2022 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27

Amin'ny alalan'ny fandraisana anjara amin'ny fiainan'izao tontolo izao no anehoan'ny kristiana lahika ny firotsahany, ka ny toe-tsain'ny Evanjely no iainany indrindra eo am-panatanterahana ireo adidy sy andraikitra. Mikatsaka ny Fanjakan'Andriamanitra ihany koa ny lahika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...