• Iaino hatrany ny fahamarinana na dia toa tsy misy mahita aza, hoy ny hafatra avy amin'ny FFKM. Mitantana ny FFKM manomboka izao ny avy amin'ny EKAR...
  • Hitohy anio sy amin'ny alarobia izao ny famoahana ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny Fanjakàna any amin'ny Faritany dimy, voka-pifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina...
  • Efa mila mizatra manoloana ny ho fiovaovan'ny vidin-tsolika amin'izay isika eto Madagasikara manomboka izao, hoy ny ministry ny angovo sy ny akoranafo...
  • Nankasitraka ary miantso hatrany amin'ny Fanajàna ny fifanarahana fampitsaharana ny ady any Gaza ny Papa François...

I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.

Ny vavaka dia tolona fa tsy haitraitra ary tena tolona ny fiainana maha kristianina, betsaka mantsy ireo faka-panahy mety hanelingelina, eritreritra samihafa. Ny vavaka dia ilana finoana sy fanantenana. Ny vavaka dia mitondra hafaliana sy fahatoniana. Misy ady tsy maintsy hatrehana manoloana ny vavaka, mila fiezahana hifantoka sy fanolorantena... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 13, 15-17. 20-21)

Andriamanitry ny fiadanana izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra.

Ry kristianina havana,
aoka isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra
amin’ny alalan’i Jesoa mandrakariva;
izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza Azy.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana,
fa ny fanatitra toy ireny no ankasitrahan’Andriamanitra.
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny,
fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo,
mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo,
fa tsy mahasoa anareo izany.
Ary enga anie ka ny Andriamanitry ny fiadanana,
izay nanatsoaka tamin’ny fahafatesana an’ilay Mpiandry ondry lehibe
noho ny ran’ny fanekena mandrakizay, dia i Jesoa Tompontsika,
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra,
mba hanatanterahanareo ny sitra-pony,
amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo (Sal. 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6)

Ny Tompo miandry ahy, tsy orin’inona aho.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho;
izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy.

Tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany!
Na mamaky lohasaha maizina aza aho, tsy matahotra izay loza:
satria Ianao miaraka amiko:
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.

Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona!
Eny, hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo.

Ny tranon’ny Tompo no fonenana
taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:

“Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:

fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.

Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...