Alarobia 9 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23
♦ Tafakatra ho 96 ny isan'ireo olona namoy ny ainy tao amin'ny Distrikan'Ikongo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai. Ahiana mbola hitombo ny tarehimarika, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo Atsinanana ny Filoham-pirenena mivady, androany. Hiara-hanarina an'i Farafangana amin'ny vahoaka ny mpitondra fanjakana, ary tsy mamela azy ireo ho irery, hoy ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy maintsy tohizina ny ezaka ho fanatanterahana ny fitakian'ny vahoaka tamin'ny 2009, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Antoko Monima, Andriamatoa Monja Roindefo...
♦ Hijery manokana ny fanampiana ireo traboinan'ny rivodoza Batsirai ny vondrona erôpeana, araka ny fanambaràn'ny masoivohony miasa eto amintsika. Nisy ny fikaonandoha niarahana tamin'ny Firenena Mikambana... ♦ Efa azo ampiasaina amin'ny ampahany ny RN-7, taorian'ny fahatapahany, azo hifamoivoizana hatreo Ambalavao, hoy ny ministry ny asa vaventy... ♦ Kendrena ho voavaha tanteraka amin'ity volana ity ny "délestage" amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, hoy ny eo anivon'ny Jirama. Hanampy an'i Andekaleka amin'ny famokarana herinaratra ny ao Farahantsana...
Filira : fandaharana isan-kerinandro, hivohizana ny maha malagasy. Fandaharana iresahana : fitsipika, literatiora, riba. Ny tanjona dia ho fanabeazana sy fitaizana. Misy fandraisana "SMS" sy "Antso" mivantana. Fitsipika : hiresahana ireo fomba fanoratra, fiforonan'ny teny, ireo fiteny marina. Literationa : fanazavana ny atao hoe Kanto, literatiora isam-paritra, kabary... Riba sy ny fomba toy ny fanorenana trano, famorana... Fandaharana iarahana amin'ny Akademy Malagasy sy ny mpanentana Tsilavina-Jules.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco