Zoma 4 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 14-29

♦ Tany amin'ny 600 km atsinanan'i Vatomandry no nisy foiben'ilay rivodoza Batsirai ny hariva teo. Efa manomboka hita taratra amin'ny tapany atsinanana ny rahona mialoha azy, ary hanomboka hikorontana ny toetry ny andro rahampitso... ♦ Miantso ny Malagasy rehetra hiray hina sy hifanampy ary haneho ny tena maha kristianina ny Arsevekan'i Toamasina, ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, manoloana ny fandalovan'ny rivodoza... ♦ Vonona hanampy sy hanaovtra ny mpiray tanindrazana ny miaramila, hoy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika Malagasy...

♦ Mihamanantona ny morotsiraka atsinanan'ny nosy hatrany ilay rivo-doza Batsirai atsy amin'ny ranomasimbe indiana. Tany amin'ny 685 km atsinanan'i Ambila-Lemaitso no nisy ny foibeny tamin'ny 9ora... ♦ Any Mananjary ny Praiministra Ntsay Christian manome toromarika ny tompon'andraikitra amin'ny fiatrehana ny rivo-doza Batsirai... ♦ Mitontaly 55 kosa ireo namoy ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny andro ratsy Anna farany teo, 130.000 mahery ny traboina...

Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...