♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny fanadihadiana maharitra eny anivon'ny tokantrano, taona 2021. Hampiasa ny teknôlôjia misy amin'ny alalan'ny tablette ny INSTAT, hanangonana ny antontan-kevitra amin'ny tokantrano manodidina ny 17000... ♦ Afaka misitraka ny tetiandrom-pambolena vaovao 2021-2022, ny tantsaha manerana ny nosy. Tetiandro nampahafantarina tamin'ny fomba ôfisialy, androany teny Ankrondrano...
♦ Averina manomboka anio ny tsy maintsy hanajan'ny mponin'Antananarivo ny saka ara-pahasalamana, ho fisorohana ny Covid-19. Namoaka didy ho fampiharana izany fepetra izany ny Préfet-n'ny Polisy omaly... ♦ Tsy ampy ny tsikera fotsiny atao amin'ireo rafitra napetraka hikarakarana sy hitsara ny fifidianana, hoy ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny tany tan-dalana... ♦ Famotehana ny zon'ny mpiasa malagasy no ao anatin'ilay volavolan-dalana vaovao mifehy ny asa, hoy ny Randrana Sendikaly...
♦ Handalo fankatoavana anio eny Tsimbazaza ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakana 2022. Nanakiana izany ireo fiaraha-monim-pirenena ary nilaza fa maika loatra ny handanian’ireo solombavambahoaka izany sahady... ♦ Hanomboka anio any Le Caire ny fivoriana antampony faha-21 n'ny COMESA... ♦ Hiroso amin’ny fandatsahana orana eto amin’ny faritra Analamanga ny Ministeran’ny rano sy ny Jirama, noho ny olan’ny tsy fahampian-drano...
Tsy afaka milaza ho nantsoin'Andriamanitra ho amin'ny fanambadiana ny olona iray raha tsy maty an-kazo tokana tamin'ny olona iray nekeny ho vady ; toy izany koa ny pretra na relijiozy iray, tsy afaka ny hiambo ho pretra na relijiozy izy raha tsy maty tamin'ny lalana nosafidiny na dia niaritra olana sy sedra maro aza. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco