Nantsoina ho mpampianatra ny pretra ka tsy azo atao tsirambina ny lafiny ara-tsaina eo amin'ny fiofanana. "Ny fampianarana ao amin'ny seminera tsy natao ho fampitàn-kevitra fotsiny fa tena famolavolana ara-teny finoana sy fanabeazana anaty ny seminarista mihitsy". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Alakamisy 23 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66
♦ Vatana mangatsiaka 43 an'ireo mpandeha tamin'ilay sambo "Francia III" rendrika, no hitan'ny mpikaroka androany. Olona 133 tamin'ireo mpandeha nentin'ity sambo ity no efa hita hatramin'izao... ♦ Hita androany hariva teo ny Talen'ny fiarovana eo anivon'ny Primatiora, anisan'ireo tao anatin'ilay angindimby nianjera. Indrisy fa vatana mangatsiaka sisa nitsingevana hitan'ny mpikaroka... ♦ Andro fisaonam-pirenena noho ny zava-nitranga tany Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo ny rahampitso...
♦ Maneho ny fiaraha-miory ho an'ny fitondram-panjakàna, ny faritra Analanjirofo, ny diôsezin'i Fenoarivo-atsinanana ary ny fianakavian'ireo niaram-boina tamin'ilay loza an-dranomasina nitranga ny alatsinainy teo ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Mbola manohana ny fitakiana efa nataon'ireo vovonam-pikambanana samihafa ny ny tranoben'ny tantsaha, amin'ny tokony handinihana ny lalàna mifehy ny fananan-tany... ♦ Hanangana antoko pôlitika vaovao Andriamatoa Paraina Auguste amin'ny taona ho avy...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco