♦ Voasambotra tany Bénin ny Filohan'ny Federasiona Malagasin'ny baolina kitra, Arizaka Rabekoto Raoul, raha ny vaovao nivoaka an-gazety androany. Efa mandeha ihany koa ny dingana amin'ny fampodiana azy eto Madagasikara... ♦ Efa misy ireo kôperativa mampihatra ny fampakarana ny saran-dalana nanomboka tamin'ity herinandro ity...

Ny tontolo iainana dia fanomezana avy amin'Andriamanitra ho antsika, noho izany dia tokony : hajaina sy kajiana, toy ny zava-maniry sy biby. Manoloana ny fanjifàna dia mamporisika ny olona hanao famokarana. Ny mahay miaina dia mahay mivelona, mamelona. Manana anjara ny tsirairay toy ny fahaizana mampiasa ny rivotra, manasongadina ny fifanajàna. Fadaharana " fibeazana miaina sy mitia".

Misy fotoana i Jesoa mihitsy no miantso ka milaza amintsika hoe "manaraha ahy", saingy isika indray no be fialan-tsiny ka mametraka elanelana amin'ny endri-javatra maro. Soa fa mbola eo hatrany Jesoa manitsy dia antsika. Katesizy momba ny fihainoana ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Zoma 26 novambra 2021 — Herinandro fahefatra amby telopolo mandavantaona — Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 29-33

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...