Tamin’izany andro izany, nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy, ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy, dia nipetraka nihinana. Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra, dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany ka kotsan’ny ranomasony ny tongony, fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany, ary nohosorany diloilo manitra.
Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy, dia nanao anakampo hoe: "Raha mpaminany Izy dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy, fa hoe mpanota io." Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe: "Ry Simôna, misy zavatra holazaiko aminao." Dia hoy izy: "Lazao, ry Mpampianatra." Ary hoy i Jesoa: "Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa, ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo. Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa, dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy. Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?" Dia hoy i Simôna namaly Azy: "Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa." Ary hoy Izy taminy: "Marina ny anao."
Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe: "Hitanao va io vehivavy io? Niditra teto an-tranonao Aho, fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra, izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany. Ianao tsy nanoroka Ahy, izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako. Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako, izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro. Noho izany dia lazaiko aminao fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy; fa izay amelana kely no kely fitiavana." Dia hoy Izy tamin-dravehivavy: "Voavela ny helokao." Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe: "Iza moa itý no mamela na dia ny heloka aza?" Fa hoy Izy tamin-dravehivavy: "Ny finoanao no nahavonjy anao, mandehana amim-piadanana."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Hohariko amin’iza re ny olona amin’itý taranaka itý, ary tahaka an’iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: ‘Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.’ Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: ‘Azon’ny demony izy.’ Tonga indray ny Zanak’Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: ‘Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan’ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.’ Fa ny Fahendrena efa nohamarinin’ny zanany rehetra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra, no tsy maintsy anandratana ny Zanak’olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao."
Ho entina miatrika fiainana dia ilaina ny miezaka mikolokolo hatrany ny harena ao anatinao. Ianao no tompon'antoka amin'ny fiainanao, asio tarigetra ary mahaiza mandanjalanja. Isan'ny harena ao anatin'ny olona ny saina sy ny fanahy, eo ihany koa ny soatoavina ka mila koloina. Ny harena tsy voakolokolo dia mihena ny sandany...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco