• Mpiasan'ny Kaominina miisa 300, miampy ny mpiasan'ny minisitera maherin'ny 3.000 no nisahana ny fanadiovana ny tanana, ho fiomanana amin'ny fandraisana vahiny amin'ny Fivoriamben'ny COI... • Voasazy 10 taona an-tranomaizina, sazy mihatra, miampy fandoavana lamandy, ny olona roa manao fitrandrahana sokatra tsy ara-dalana. Iray amin'ireny ny Solombavam-bahoakan'i Soavinandriana... • Mampiantrano ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny toe-karena manga ny Faritra Atsimo Andrefana. Tanora avy amin'ny firenena afrikana maherin'ny 20, no mandray anjara amin'izany...
18 aprily — I Masindahy Parfait dia ilay pretra martiry tao Cordoue tany Espagne. Fiangonana iray nantsoina hoe Saint-Ascicle, tao amin'ny tananan'i Cordoue tany Andalousie no notantanan'i Parfait.
Ny Eglizy dia vahoakan'Andriamanitra, milaza ny fiombonana ara-panahy sy miharihary efa iainany sy tsy maintsy iainany mandra-pahatapitr'izao tontolo izao. Fanekem-pihavanana ny Eglizy satria teraka tamin'ny fanekem-pihavanana vaovao izay naorin'i Kristy tamin'ny rany teo amin'ny hazofijaliana. Ny Eglizy dia Misiônera na Iraka... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
18 avrily 2025 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco