17 aprily — Ny Anicet resahana etoana dia ilay papa faha-11. Malaza ao Quebec any Canada ity olomasina ity. Papa tamin'ny taona 155 ka hatramin'ny taona 166 i Masindahy Anicet. Syrien no fiaviany fa maty martiry tamin'ny fitondran'ny amperora Marc Aurèle izy.

Tsy mamelona fotsiny ihany ny Fanahy Masina fa tena mitarika ny vahoaka ho any amin'ilay tanjon-kitodiany, dia ny Fanjakan'Andriamanitra. Io Fanjakàna io no natombok'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famondronany ny vahoakany eto an-tany ; Fanjakàna izay tsy maintsy itarina aty aoriana, ambaram-pahatapitry ny taona rehetra ; izay ilay maha-katôlika ny Eglizy... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

17 avrily 2025 — Alakamisy Masina — Hariva — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)

• Nankahery ny pretra hijoro ho vavolombelon'ny fahasoavana azo avy amin'ny fanosorana, ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, tamin'ny Sorona Masina nanamasinana ireo menaka masina androany teny amin'ny EKAR Antanimena... • Mbola tsy misitraka ny rano fisotro madio ny 40 isan-jaton'ny Malagasy hatramin'izao. Fantatra izany androany, nandritra ny fanokafana ny Herinandrom-pirenena momba ny rano... • Mila manavao ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana manaraka ny vanim-potoana misy ankehitirny ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Max Andonirina Fontaine...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...