Nanomboka tamin’ny 26 Aogositra 2021 lasa teo ny fiofanana tao amin’ny sekoly iray izay tantanan’ny Salezianina ao Amerika. Sekoly mampiofana ny olona eo amin’ny lafin’ny fifandraisan’ny mpiara-belona. Miisa 83 ireo mpandray anjara ao anatin’izany sampam-piofanana momban’ny serasera izany, ary avy any amin’ny provinsy efatra ambin’ny folo mampiasa ny fiteny espaniôla.

♦ Hotanterahana anio eny amin'ny kianjan'i Barea eny Mahamasina ny fihaonana eo amin'i Madagasikara sy Bénin. Lalao fifanitsanana andraisana anjara amiin'ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an'ny baolina kitra 2022... ♦ Hifarana afaka roa volana ny fe-potoam-piasan'ny mpikambana mandrafitra ny Ceni... ♦ Nisantatra ny taom-pianarana 2021 sy 2022 ny mpianatra any amin'ny sekolim-panjakàna nanomboka omaly...

Mitondra lesona mandaitra ny fitantanana satria niainga avy amin'ny andram-piainana. Mivoaka amin'ny fifampizarana ny fahatsapana fa tsy misy olona mahavita-tena eto an-tany, tsy maintsy mila namana. Ilaina ny fitantarana amin'ny hafa ny finoana an'i Jesoa Kristy sy ny hafaliana miaraka aminy. Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Alakamisy 2 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11

[Miara-dàlana] Zoma 26 septambra 2025

• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...